In.S.P.N.Mad : mahasarika ny mpianatra ny « transit et douanes »

Tamin’ny taona 2010 no niforona ny lalam-piofanana « transit et douanes » teo anivon’ny In.S.P.N.Mad (Institut Su­périeur Polytechnique des No­vateurs de Madagascar). Etsy Ambaranjana Antanana­rivo no nanombohany, izay ankizy efa hatramin’ny 1500 no navoakany. Nambaran’ny Tale Jenera­lin’ny In.S.P.N. Mad, Randria­na­rivelo Dieu­donné, fa miroborobo ity lalam-piofanana ity ao aminy, satria dia nanome fahafaham-po sady tsy misy « chômeurs » fa nahita asa daholo izay nivoaka tao.
Ankoatra izay, fanabeazana miaina anaty fifohazam-panahy no hita ao, hoy hatrany ity Tale jeneraly ity, izay mifameno tanteraka. Ampo­lony no isan’ny mpampianatra ao, izay manana ny fahaiza-manao ka tsy mena-mitaha amin’ny se­koly ambony hafa. Raha hiverenana kosa ny mahakasika ny In.S.P.N.Mad, dia « cours télé- enseignement » no niandohana, ka efatra mirahalahy no niketrika izany, nanapa-kevitra ny ha­madika azy ho In.S.P.N.Mad izy ireto taty aoriana, izay na­nana ny toerany, izay vao haingana no nankalaza ny faha- 30 taona. Tsy nitsaha-niakatra ny laza sy fahombiazan’ny sekoly, izay anisany nahaliana ny ankizy. Ankoatra ny teto Antana­na­rivo niitatra tany Toama­sina, Fianarantsoa ary ao Antsirabe ity sekoly ambony ity.
Nohamafisin’ingahy Tale Jeneraly, fa iray ihany ny In.S.P.N.Mad. Nohamafisiny, fa tsy diso lalana ireo mpianatra nisafidy manokana ny sekoly, izay miara-miasa amin’ny orinasa Iraisam-pirenena. Na izany aza, nambarany fa « tsy adidiko izaho samy irery fa adidiko izaho sy ianao no hahazoana fahombiazana ». Notsiahiviny, na teo aza ny fanozongozonan’ny sasany ny sekoly, mbola mijoro tsara izy hatramin’izao.

Mi.Raz

Partager sur: