CUA – Boriborintany V : fotoana hamahana ny olan’ny mponina izao

Tonga nitsidika teny anivon’ny boriborintany fahadimy ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra Andrian­tsitohaina Naina, omaly. Ni­jery ny zava-misy sy ny olan’ny mponina teny an-toerana izy nandritra izany. Nandritra ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàna fa hiroso amin’ny asa izay laharam-pahamehana ho an’ny mponina izy. Fotoana amahany ireo olana rehetra mahazo ny mponina ihany koa. Mba hitsinjovana ny tombontsoan’ny besinimaro sy hampandrosoana ny tanàna. Tonga niresaka ta­miny mivantana moa ireo solontenan’ny mponina tao anatin’ny fokontany miisa 27. Nilaza izy ireo fa maro ny olana sedraina amin’izao va­nim-potoana izao. Toy ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahampian’ny jiro ma­nazava ny tanàna ary ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa eny an-toerana. Mari­hina fa tsy tapitra hatreo ny fitsidihana fa hitohy hatrany, hoy hatrany ny ben’ny Ta­nàna.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: