Nitrangana fanafihana mitam-piadiana, ny tolakandron’ ny talata lasa teo, tany amin’
ny fokontany Sambosotsy, kaominina Behisatsy, distrikan’i Beroroha. Nifanehitra tamin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny fianakavianakely, telo mianaka, handeha hamonjy fodiana rehefa avy namonjy tsena tany Behisatsy. Nandeha moto izy ireo no nosakanan’ ny jiolahy tamin’ny lalana ary nambanany tamin’ny basy. Notifirin’ireo jiolahy izy ireo, ka nianjera tamin’ny tany. Maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy, nandritra izany, ilay raim-pianakaviana nitondra ny kodiaran-droa. Namoy ny ainy noho ny dona mafy nahazo azy teo am-pianjerana sy ny tifitra nahazo azy ihany koa ilay zaza. Naratra mafy ary nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly ilay renim-pianakaviana. Lasan’ireo olon-dratsy, tamin’izany, ny entan’ireto olona lasibatra ireo.
Taorian’ny fifampitifirana, tafatsoaka ilay ramatoa ka niantso vonjy tamin’ny fokonolona teny amin’ny manodidina. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary tonga teny an-toerana nitrangan’ny fanafihana. Tsy tratra teo intsony ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manam-pahefana. Efa misokatra ny fanadihadiana sy fikarohana ireo nahavanon-doza. Marihina fa faritra malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana iny toerana iny.
Mino




