Karazam-bary sahaza, mahatanty ny toetr’andro mafana any Menabe, ny Sebota 70. Hahazoana vokatra 6t/ha ary azo ambolena intelo isan-taona.
Omena toerana ny tantsaha any amin’ny kaominina haneho ny vokatr’izy ireo eo amin’ny tsena. Mitondra fampandrosoana eny ifotony izany, indrindra ho an’ny firenena, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo maharitra.
Natao ny 19 hatramin’ny 23 desambra 2025 teo ny Tsenam-bokatra miaka-bary Sebota, ao amin’ny kaominina Ambatolahy, distrika Miandrivazo, faritra Menabe. Tombontsoa lehibe ho an’ny tantsaha mpamokatra ity hetsika ity, nentina nanasongadina ny firoboroboan’ny karazam-bary Sebota, izay miavaka tokoa sady mahazaka ny toetr’andro any an-toerana. Mandray anjara feno sy anisan’ny mpikarakara ny tsenam-bokatra miaka-bary Sebota, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), amin’ny alalan’ny tetikasa AD2M, miasa any amin’ny faritra Melaky sy Menabe, vatsian’ny Fida ara-bola.
Mampiavaka ny vary Sebota ny fahahazoana vokatra 6 taonina isaky ny hekitara. Azo volena intelo isan-taona any Ambatolahy Miandrivazo. Haingam-pitombo satria telo volana aorian’ny fanetsana dia miakatra ny vokatra.
Feno ny fepetra
Nanomboka ny taona 2008 ny fiaraha-miasan’ny tantsaha tamin’ny tetikasa AD2M, amin’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary Sebota. Hita sy tsapa fa nahomby any amin’ny distrika Miandrivazo sy ny faritra Menabe ny famokarana ity karazam-bary ity. Satria sahaza sy mety amin’ny toetany mafana. Nisy rahateo ny fanajariana ny lemaka, nanamboarana tohodrano, hifehezana ny rano. Ankoatra ny any Miandrivazo, miasa any amin’ny distrika Belo Tsiribihina sy Manja ihany koa ny AD2M.
Njaka Andriantefiarinesy




