Andranomainty Miandrivazo: karatany 454 natolotra ny tantsaha

Ho afaka mamokatra am-pahatoniana sy manatsara ny famokarany ny mpamboly rehefa milamina ny fananatany. Natolotra ireo mponina ao amin’ny fokontany Andranomainty sy Betalatala, distrika Miandrivazo, ny 23 desambra teo, ny karatany miisa 454. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “AD2M” no nahafahana nanatanteraka ity fiarovana ny fananantany ity, famatsiam-bola avy amin’ny Fida. Niara-niasa tamin’ny AD2M ny Birao ifoton’ny fananantany sy ny fitsarana. Araka ny lalàna, anisan’ny fepetra nahafahan’ireo mponina nisitraka ny karatany ny fanamaintisa-molaly ny tany nandritra ny 5 taona fara-fahakeliny.
Miahy ny “AD2M” ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nilaza ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana, DRAE Menabe, fa «tanjona amin’ity fiarovana ny fananantany amin’ny alalan’ny fanomezana karatany ity ny hiantohana ny velaran-tanin’ny tantsaha mpamokatra. Ahafahana mampiroborobo ny famokarana sy hampandry saina azy ireo hanatrarana ny fahaelovan-tena ara-tsakafo».
Anisan’ny hifantohan’ny tetikasa AD2M ny fampivoarana ny famokaran’ny tantsaha, fanarenana na fananganana fotodrafitrasa fanajariana lemaka, ny fanohanana amin’ny fampiasana masomboly voafantina ary toy izao fiarovana ny fananantany izao.

Njaka A.

Partager sur: