Niharan’ny fanolanana: herinandro tsy mahatsiaro tena ilay zaza

Mila hakarina tsaboina eto an-dRenivohitra ilay zazavavy fito taona niharan’ny fanolanana tao Tsiroanomandidy ka tsy nahatsiaro tena efa ho herinandro lasa.

Afa-miaina sy mihetsika ny vatan’ny zazavavy vao fito taona monja niharan’ny fanolanana tao Mangarivotra, distrikan’i Tsi­roa­nomandidy, saingy tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly. Nitaraina ho narary io zaza io herinandro lasa. To­rana tampoka izy ary tsy nahatsiaro tena ka nentin’ny fianakaviany nihazo ny toeram-pitsaboana tsy miankina. Nihevitra ireo mpitsabo azy fa voan’ny tazomoka io zaza io ka natao fizahana manokana. Nampiana fanafody “suppositoire” kinanjo hita tamin’io fotoana io fa simba ny fivaviany. Nikoropaka ny mpitsabo tamin’ilay toeram-pitsaboana tsy miankina ary nanome baiko ny fianakavian’ny zaza mba hitondra azy eny anivon’ny hopitalim-panjakana. No­za­han’ny CHRR Bongolova ary voamarina fa niharan’ny fanolanana tokoa izy.
Kamboty ray sy reny

Monina amin’ny rahalahin’ny raibeny io zaza io satria efa maty avokoa ny reniny sy ny rainy, araka ny loharanom-baovao. Anatin’ny fahasahiranana anefa io fianakaviana mitaiza azy io ka nananosarotra ho azy ireo ny fitsaboana an’ilay lasibatry ny fanola­nana. Manoloana ny hasarotan’ny tsy fahasalamana mi­hatra amin’io zaza io, mila entina tsaboina eto an-dReni­vohitra izy, hoy ny fanampim-baovao. Etsy ankilany, miraviravy ta­nana tanteraka noho ny tsy fananana ny fianakaviana voakasika. Hatreto, tsy fantatra mazava ny nahavanon-doza nahavita ny habibiana tamin’io zaza io. Miroso amin’ ny fanaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana mi­asa ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: