Seranam-piaramanidina: famatsiam-bola 15 miliara Ar hiasan’ny Adema

Tsy nahazo ny vola tokony ho anjarany ny orinasam-panjakana Adema efa an-taona maro. Hamatsy vola azy ny fanjakana foibe entina hampandehanana ny asa fitantanana sy ny fikojakojana.

Mitantana ny seranam-piaramanidina rehetra eto Madagasikara ny orinasam-panjakana Adema S.A, afa-tsy ny eny Ivato An­ta­nanarivo sy Nosy Be. Tsy na­rotsaka tany aminy anefa ny vola tokony hampihodinana ny orinasa, efa an-taona maro, ny tamberim-bidy sandan’ny «Redevance de con­cession». Nisy fiantraikany mafy tany amin’ny asa tokony ho saha­nin’ny Adema izany, indrindra ny lafiny aro loza mety hitarika hatrany amin’ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina.
Noho ireo, nanapa-kevitra ny fanjakana malagasy, ankehitriny, fa haloany ny tamberim-bidy, mandritra ny herintaona, mitentina 3 tapitrisa euros, na 15 miliara Ar, ho fa­maliana ny filàna maika takin’ ny fitandroana ny fifamoivoizana ana habakabaka.
Anisan’izany ny fikojako­jana ny lalan’ny fiaramanidina sy ny fiantsonana (tarmac). Ny fanamboarana sy ny fikojakojana ny fitaovana fitarihana sidina. Ny fanomezana fitaovana sy ny fiomanana ho an’ ny mpamonjy voina sy ny mpa­mono afo. Ny fiantohana ny fiarovana ny fotodrafitrasa sy ny aro loza eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Fandrosoana ara-toekarena sy ara-pizahantany

Asa maika tsy maintsy ha­tomboky ny Adema, ny miantoka ny fiarovana ny mpampiasa ny fiaramanidina. Ny manome antoka ny fitohizan’ ny sidina. Miaro sy mana­tsara ny fisian’ny seranam-piaramanidina manerana ny Nosy. Ary manohana ny fandrosoana ara-toekarena sy ara-pizahantany eto Mada­gasikara. Araka ny filakankevitry ny minisitra ny 22 desambra 2025 teo, na­neho ny fahavononany ny fanjakana hanao laharam-pahamehana ny fiaro­vana ana habakabaka, nahatonga azy nanome fitaovana sy loharanon-karena ilain’ny Adema. Anisan’ireo seranam-piaramanidina tena stratejika ara-toekarena sy ara-pizahantany ny any amin’ny renivohi-paritany, Sambava, Antalaha, Taola­gnaro, Sainte-Marie, Moron­dava, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: