Natao ny 26 desambra teo ny famindram-pitantanana ho an’ny tale jeneraly vaovao, hitantana ny Antokondrandraharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily eto Madagasikara (ACM), Rakotoarisoa Alban. Nambarany fa «laharam-pahamehana ny hananana fitaterana ana habakabaka matanjaka amin’ izao tontolo izao, sady hanorenana hoavy matanjaka. Nohamafisiny fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny habakabak’i Madagasikara, entina hiarovana ny fiandrianam-pirenena. Vonona hiara-miasa amin’ireo mpiara-miombaon’antoka samihafa ny tenany, na ara-teknika io na ara-bola». Tanjona ny hikatsahana ny mahasoa ity sehatra ity, hahazoana vokatra tsara. Ho an’ny DG Rakotoarisoa Alban, fanamby apetrany ny fomba fiasa mangarahara, ny fanomezan-danja ny fahaiza-manao teknika avy any amin’ ireo sampandraharaha isan-tsokajiny ao anatin’ny ACM.
Mangarahara sady mahitsy
Nisolo tena ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ny sekretera jeneraly, sady filohan’ny Filankevi-pitantanana ny ACM, Rakotomalala Dina Hariniry. Navoitrany fa «zava-dehibe ny fangaraharana sy ny fahitsiana amin’ny fanatanterahana ny asa. Satria, antoky ny fampandehanan-draharaha sy fampiroboroboana ny fitaterana ana habakabaka sivily izany ho tombontsoan’ny besinimaro».
Njaka A.




