Nosamborin’ny polisim-pirenena ny roa lahy tratra nangalatra moto tao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara, ao amin’ny trano fitaratra Ankorondrano, ny 27 desambra lasa teo. Nihaodihaody tao amin’io toeram-piasana io ireo olon-dratsy ka narahin’ny mpiambina maso akaiky. Tsy nahatsikaritra anefa ireo mpandroba fa nanararaotra nanao ny asa ratsiny. Nampiditra ny fanalahidy manokana tamin’ny moto an’olona izy roa lahy. Mody nitoditodika nitazana ny manodidina ny iray ka nokasain’izy ireo hatosika mangingina ny moto scooter lehibe iray marika Yamaha. Nahatazan-davitra ny mpiambina ary tsy nisalasala niantso ny mpitandro filaminana hanatratra an’ireo mpanao ratsy. Vokany, nosamborina izy roa lahy. Notanana natao famotorana izy ireo, ary niaiky tokoa fa nikasa hangalatra an’io moto an’olona io. Naverina amin’ny tompony ny moto. Marihina, mirongatra ny asa ratsy rehefa vanim-potoana manakaiky fety tahak’izao, indrindra ho an’ny eto an-dRenivohitra. Ilaina hatrany ny fahamailoana sy fampandrenesana ny mpitandro filaminana raha toa ka misy trangan-javatra mampiahiahy.
Tsiferana R.




