FIVMPAMA: mitaky fanovana lalina amin’ny rafitra ara-toekarena

Ilaina ny fanovana ara-drafitra amin’ny alalan’ny fametrahana ny « Small Business Act » hanatsarana sy hampivoarana ny fandraharahan’ny orinasa madinika eto Madagasikara. Izy ireny izay mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.

Mitaky fanovana lalina eo amin’ny rafitra ara-toekarena eto Mada­ga­sikara ny filohan’ny Fivon­dro­nan’ny mpandraharaha mala­gasy (Fivmpama), Rakoton­dra­sanjy Rivo. Ma­nen­tana ny fa­nanganana ny «Small Busi­ness Act», lalàna iray natokana hanamafisana ny anjara to­eran’ny orinasa tena madinika, madinika ary salantsalany (TP ME), ny tenany. Nambarany fa mandrafitra ny 99% ny rafitra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny TPME. Avo fito heny noho ny sehatra ara-dalàna, hoy izy, ny sehatra tsy ara-dalàna izay nahatratra 46,5% ny harinkarena faobe tamin’ny taona 2021. Etsy ankilany, « orinasa lehibe latsaky ny 800 amin’ireo mpandoa hetra 330 000 no mampiditra hetra 75%  eto amin’ny firenena », raha ny fanazavany hatrany. Nilaza ny filohan’ny Fivmpama fa andry iankinan’ny toekarena ny TP ME ary tokony hametraka politikam-panjakana hanatsarana sy hanovana ary paikadim-pampandrosoana azy ireny ny fitondram-panjakana. Notsin­driny manokana fa tokony hisitraka tohana avy amin’ny fanjakana ny orinasa madinika.

Fampivoarana
Tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny TPME ny tse­­nam-panjakana, izany hoe, fametrahana fandaharanasam-pirenena hiaraha-miasa amin’ny FMFP hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpan­draharaha. Araka izany, hanamora ny lafiny ara-pitantanana sy ara-ketra ho an’ny TPME ny «Small Business Act». Tetikasa hanamorana ny fikirakirana ny antontan-ta­ratasy ho an’ireo mpandraharaha amin’ny alalan’ny fametrahana « Guichet unique », hanamora ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa, mpianatra, mpikaroka samihafa. Nanamafy ity mpandraharaha ity fa tokony hojerena ny fomba hanapariahana ny tetikasa hanatrarana ny tanjona apetraka.

Henintsoa

Partager sur: