Nivoaka taorian’ny dinika niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny solontenan’ny Fiarahamonim-pirenena ary ny Bianco ny « quota » andiany voalohany ho an’ireo mpandraharaha mpanondrana drakaka, ho an’ ny taona 2026. Araka izany, natokana ho an’ireo orinasa efa miantsehatra amin’ny seha-pihariana drakaka ny 70% ny « quota » ny fanondranana. Miisa 13 ihany koa ireo orinasa voafantina hanondrana drakaka voatetika nampangatsiahana raha miisa valo kosa ireo hanondrana drakaka velona. Natokana ho an’ireo mpandraharaha vaovao hiantsehatra ka mahafeno ireo fepetra takina amin’ny fanondranana ny 30%. Araka izany, hentitra ny fanaraha-maso ny fanajana ny lalàna apetraka ho an’ny mpandraharaha sy orinasa mpanondrana ny vokatra. Hohamafisina ny fanajana ny fitsipika mifehy ny fitrandrahana, ny varotra ary ny fanondranana mba hampiroboroboana ny fifaninanana ara-drariny. Hamafisina ihany koa ny mangaraharaha sy haitondra eo amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny seha-pihariana drakaka sy ny toekarena manga.
Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny fanavaozana apetraky ny fitondram-panjakana ny hanatsarana ny fihariana ny harena an-dranomasina. Tafiditra ao anatin’izany ny hanafoana ny rafitra miompana amin’ny fanaovana am-pihimamba. Laharam-pahamehan’ny asa rehetra ny mangarahara sy ny fametrahana ny ara-drariny.
Henintsoa




