Mpiambina tao amin’ilay banky ny roa lahy tamin’ireo jiolahy enina voasambotry ny polisim-pirenena tao Ambatondrazaka, ny 25 desambra teo. Nalain’izy ireo ny vola an-tapitrisany.
Jiolahy enina niara-voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampandraharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava Anosy sy ny polisy ao Ambatondrazaka, ny 25 desambra lasa teo. Nitrangana fandrobana tao amin’ny banky lehibe iray ao Ambatondrazaka, ny 22 desambra lasa teo. Jiolahy miisa efatra niditra an-keriny tao amin’io toerana io, araka ny fampitam-baovao voarain’ny polisim-pirenena. Nanampy ireo olon-dratsy tamin’ny fanatanterahana ny asa ratsy kosa ny roa lahy mpiambina tao
an-toerana. Noraofin’izy ireo, tamin’izany, ny vola mitetina 347 700 000 Ar. Nitsoaka nandositra ireo mpanao ratsy.
Nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ny tomponandraikitra eo anivon’ ny banky lasibatra. Nanao ny fanadihadiana rehetra ny polisy eo anivon’ny BC ary niara-niasa mivantana tamin’ny polisy tao amin’ny kaominina nisehoan’ny fandrobana. Voasambotra ny lehilahy miisa efatra niampy ireo mpiambina roa, nandritra ny fetin’ny Noely teo. Niaiky heloka ho nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana ireo mpanao ratsy voalaza.
Nafenina tanaty lavaka
Nandritra ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana ireo enin-dahy, noterena hanoro ny toerana nasian’izy ireo ny vola ireto farany. Efa nolanilanian’izy ireo ny ampahany betsaka tamin’ny vola halatra. Nasitrika tao anaty lavaka tao Madiotsifafana, tsy lavitra ny gara, ny ambin’ny volabe izay nangalarin’izy ireo. Mitetina 78 900 000 Ar sisa hitan’ny mpitandro filaminana tao amin’io lavaka io. Nentina natao fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana izy enina mirahalahy taorian’izay. Nohazonina vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy izy ireo.
Tsiferana R.




