Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina teny Idilana, fokontany Avaratsena, kaominina ambanivohitra Talata Volonondry, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Niseho teo amin’ny lalam-pirenena fahatelo, PK 29 + 800 ny loza. Fiara iray marika Nissan Fourgon, avy any Ankazondandy, hizotra ho aty Antananarivo, no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nandona
sy nampirodana tambohon’ olona iray tamin’ny sisin-dalana. Mbola nifaoka takelaka manondro sampanan-dalana ihany koa avy eo. Rehefa izay, nivadika sy nidaraboka tamin’ny takibany ilay fiara ka vaotsindry nifanandrify tamin’ny tany tao anaty fiara ny mpamily nitondra ny fiara.
Vokany, maty tsy tra-drano nandritra ny loza ny mpamilin’ ilay fiara. Voatsindry sy potsitra tao ambany tao ny lohany ka antony nahafaty azy. Nahitana ratra maivana kosa ny ankizy roa (10 sy 11 taona) tao anaty fiara.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry. Raha ny fantatra, fianakaviana iray avy namangy havana ka hamonjy fodiana ireto niharan-doza ireto. Tombanana ho vokatry ny fandehanana mafy ny antony nahatonga ny loza. Tompon’ny fiara ity mpamily maty ity. Nilaza ireo fianakaviana nandeha tao anatin’ny fiara niharan-doza fa nisotro zava-pisotro misy alikaola io mpamily io teny an-dalana. Mbola nahitan’ny zandary tavoahangin-dabiera rahateo teo amin’ ny toerana nisehoan’ny loza. Manentana hatrany amin’ny tsy fiarahan’ ny zava-pisotro misy alikaola sy ny familiana ny mpitandro filaminana. Antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana izany.
Ankoatra izay, fiara kely iray koa nivadika sy nifatratra teny ambonin’ny tranon’olona, teny Ambanidia Volosarika, omaly hariva. Nandeha avy any ambony ary tsy nahatana ny familiana ny mpamily ka lasa tany amin’ireo tranon’ olona tamin’ny sisin-dalana ny fiara nentiny. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’io tranga io.
Mino




