Fanamby amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fanavaozana ny rafi-pitantanan’ny orinasa mba hiantohana ny fifaninanana ara-drariny, araka ny tatitra navoakan’ny Business Ready 2025.
Namoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Business Ready (B-Ready) 2025 ny Banky iraisam-pirenena. Tatitra vaovao natao handrefesana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fisarihana ny fampiasam-bola izy io. Ity tatitra ity araka izany, no manolo ny Doing Business ka anisan’ ireo firenena andrana (pays pilotes) amin’ity andiany faharoa ity i Madagasikara.
Ho an’ity farany, mifangaro ny vokatra, izany hoe, mampiseho tanjaka sy marefo izany. Nahazo isa 57,28 ny rafitra ara-pitsipika, isa mihoatra ny salanisa 50, izay manamarika fa manana fahaizana mandrafitra sy mandamina fitsipika ara-pitantanana sy rafitra ara-dalàna ny firenena. Hita taratra ny ezaka amin’ny fanavaozana ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fampiasam-bola natao tao anatin’ny taona vitsy. Na izany, mbola ambany ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny daholobe, izay nahazo isa 31,64, ary voafetra ihany koa ny fahombiazan’ny fampandehanana, nahazo isa 52,29, raha ny voalaza. Nivoitra tao anatin’izay fa na dia misy aza ny lalàna sy ny rafitra ofisialy, mbola maro ny sakana amin’ ny fampiharana. Antony mampiato ny fifaninana ara-drariny sy ny fampandrosoana ny orinasa, indrindra ho an’ny sehatra tsy miankina izany.
Fampivoarana
Mandroso soso-kevitra hanatsaran’i Madagasikara ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny daholobe ny B-Ready. Tokony hamafisina ihany koa, hoy izy ireo, ny fotodrafitrasa sy ny rafitra fitantanan’ny orinasa. Tokony hamoraina ny fomba fiasa mba hiantohana ny fampiasana ara-drariny ny lalàna efa misy. Araka izany, fitaovana stratejika ho an’ny fanavaozana ny B-Ready. Manampy amin’ny fametrahana ireo sehatra laharam-pahamehana sy hametrahana tanjona mazava. Noho izany, fanamby lehibe ho an’ny Nosy ny hitondrana fanavaozana sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana mba ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena.
Marihina fa mandrakotra firenana 101 maneran-tany ny B-Ready 2025. Vinavinaina hihoatra ny 160 izany amin’ny taona ho avy.
Henintsoa




