Fihenan’ny vidim-bary: matiantoka ny tantsaha mpamokatra

Matiantoka tanteraka ny tantsaha manoloana ny fihenan’ny vidim-bary misy amin’ izao fotoana. Antony indrindra nanaovana ny dinika niara­han’ireo mpisehatra samihafa, toy ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MCC), ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Fambolena sy ny fiompiana (MinAE) anjara, tetsy Ambohidahy. Tao koa ny Association professionnelle des institutions de microfi­nance de Madagascar (APIMF), ireo solontena avy amin’ny mpisehatra ara-bary sy teknisianina isan-tsokajiny. Nison­gadina nandritra ny fifanakalozana ny hametrahana paikady hamahana ny olana. Mifanin­go­tra amin’ny toe-javamisy rahateo ny tokony handraisana andraikitra tandrify ny isan-tsehatra. Voalaza fa anisan’ny mampananosarotra ny famoaham-bokatra ny faharatsian’ny lalàna. Ity farany izay sakana amin’ny fampivoarana ny toekaren’ny faritra sy ny mpandraharaha ary ireo tantsaha.
Ankoatra izay, nivoitra nandritra ny fifanakalozana ny fanafarana vary, ny fiaraha-miasan’ny tantsaha amin’ireo rafitra mpampidram-bola amin’ ny sehatra madinika, ny fanohanana ny tantsaha. Na izany aza, mbola vitsy ireo tantsaha sahy miditra amin’ny tolotra fampindramam-bola amin’ireo rafitra voalaza etsy ambony noho ny fahasarotan’ny fepetra takina.

Henintsoa

Partager sur: