Ambohimanga Rova: Lehilahy hita faty

Hitan’ny fokonolona vao maraina ny vatana mangatsia­kan’ny lehilahy iray, teny Ambodisiarivo, kaominina Ambo­himanga Rova, omaly maraina. Nanao akanjo tsara io olona io saingy tsy nisy taratasy nahafahan’ny tomponandraikitra namantarana azy, tamin’ny fotoana nahitana azy. Tsy maty noho ny vono olona io lehilahy io, araka ny fanambaran’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohimanga. «Nilaza ny mpitsabo nanao ny fitiliana ny vatana mangatsiaka fa maty sepotry ny rano io olona io», hoy ny fanazavana voaray. Manahy ny mpitsabo sy ny mpanao fanadihadiana fa mety ho latsaka tampoka tao anatin’ilay dobo io olona io ka tsy naharina ny tenany intsony. Nitarika tamin’ny fahamoizany aina anefa izany. Nanao fampandrenesana teo anivon’ny tambajotran-tserasera ny nanatri-maso ary nikaroka ny fianakaviany ny zandary. Mponina avy amin’ny tanàna tsy lavitra ny toerana nahitana azy ity lehilahy ity.

Tsiferana R.

Partager sur: