Fifanakalozana ara-barotra : Nampidi-bola mitentina 595,2 tapitrisa dolara

Nihatsara ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Etazonia sy i Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025.

Tafakatra 595,2 tapitrisa dolara ny sandan’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Etazonia nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Ma­hatratra 546,3 tapitrisa do­lara kosa ny sandan’ny fanondranana niditra teo amin’ny tsena amerikanina, raha ny ta­titra navoakan’i Etazonia. Ni­laza izy fa mitentina 48,9 tapitrisa dolara ny entana nafarantsika avy an-toerana, izay na­hafahantsika nahazo ambim-bola ara-barotra 497,4 tapitrisa dolara. Araka izany, nihatsara sy nahitam-piakarany 0,48% ny entana naondran’i Madaga­sikara raha oharina amin’ny 543,7 tapitrisa dolara izay mifanandrify tamin’io vanim-potoana io, ny taona 2024, raha ny voalaza hatrany. Porofo ireo fa manomboka mihatsara ny se­hatry ny fanondranana saingy mbola vitsy ny vokatra ma­la­gasy miditra eo amin’ny tsena amerikana.
Mitongilana

Nivoitra tao anatin’ny tatitra fa nitombo 20% ny fanafarana entana nataon’i Madaga­sikara raha toa 40,7 tapitrisa dolara izany, ny taona 2024. Niantraika mivantana tamin’ny fifanakalozana ara-barotra izay (-1,11%) 503 tapitrisa lasa 497,4 tapitrisa dolara ny zava-misy. Marihina fa firenena voalohany mandray ny vo­katra malagasy i Etazonia. Hetsika izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny tontolon’ny fandraharahana eto an-toerana. Ity farany izay fanoitra amin’ny fampiroboroboana ny toekarena fa indrindra manome asa eto amin’ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: