Nifapisokirana tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny mpivady tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny sabotsy 3 janaory teo. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko mainty izay nitondra ny fianakaviana kelin’izy mivady ireo. Ankizy ny telo ary izy mivady, araka ny loharanom-baovao. Potika tanteraka ilay fiara tsy mataho-dalana izay nidona tamin’ny lohan’ny kamiao nifanoha-dalana taminy. Nifamonjena avy hatrany ireo tao anatin’ny fiara rehetra. Nanaosarotra anefa ny famonjena ireo mpivady satria niforitra tanteraka ny fiara. Voa mafy ilay raim-pianakaviana izay namily ny fiara sy ilay ramatoa vadiny. Tsy tanà ny ainy izy mivady ireo. Nentina nihazo ny tranom-patin’ny HJRA ny nofo mangatsiakan’ireto farany. Ankoatra azy ireo, naratra vokatry ny loza koa, ny zanak’izy mivady miisa telo. Fanta-daza amin’ny sehatry ny fakana sary tao amin’ny tanànan’ Ihosy ilay raim-pianakaviana. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandarimaria miasa ao Antanifotsy izay toerana nitrangan’ny loza. Anatin’ny fanaovana famotorana ny antony nahatonga ny loza izy ireo amin’izao fotoana. Ahina ho nahatonga ny loza ny fandehanana mafy. Tsiahivina, vao ny fiatombohan’ny taona teo, fiara tsy mataho-dalana iray potika tanteraka nifandona tamin’ny kamiao tao Marovoalavo, io sabotsy 3 janoary io ihany. Nifampisokirana ny mpamily. Tsy nisy nahiana ny fahasalamany.
Tsiferana R.




