Andry iankinan’ny toekarena ny solika noho izy miantoka ny fampandehanana sy ny fampandrosoana ny faritra iray. Tao anatin’ny telo volana faharoan’ny taona 2025, nahitam-piakarana ny fanjifana ny solika manerana ny Nosy.
Vita ny fety. Manomboka miverina tsikelikely amin’ny andavanandro ny tokantrano tsirairay avy. Manomboka ihany koa ny fitohanan’ny fiara, ity farany izay miantraika betsaka amin’ny toekarem-pirenena ka mampitombo ny fanafaran’i Madagasikara ny solika. Tao anatin’ny telo volana faharoa ny taona 2025, tafakatra 326 984 m³ ny fanjifana ny solika manerana ny Nosy. Niakatra 11% io taha io raha oharina ny tamin’ny telo volana faharoa ny taona 2024 izay 295 189 m³, raha ny tatitra navoakan’ny Ofisy malagasy ny Akoranafo (OMH). Nivoitra tao anatin’izay fa maherin’ny 16 566 m³ ny fanjifana ny gazoala, mihoatra ny 10 039 m³ ny fanjifana ny solika mavesatra raha toa ka maherin’ny 5 987m³ kosa ho an’ny lasantsy. Antony mahatonga ireo ny fitomboan’ny fitaterana, eo ihany koa ny fampakarana ny filan’ny Jirama entina hamatsiana ny famokarana herinaratra ary ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa izay samy ampiasana solika avokoa. Voalaza tao anatin’izay fa tafakatra 59 476m³ ny solika nentina namatsiana ny Jirama. Nahitam-piakarana 25% izany raha oharina ny vanim-potoana mitovy izany ny taona 2024. Ambany anefa io taha io raha oharina ny telo volana voalohan’ny taona 2025 izay 55 812 m³, izany hoe, nahitam-piakarana 3 664 m³ ny solika nentina namatsiana ny orinasa Jirama tao anatin’ny telo volana. Ankilany, miantoka ny fampiodinana ny toekarena ny solika noho izy andry iankinan’ny fitaterana entana, vokatra samihafa ary fanoitra amin’ny fampandrosoana ny faritra iray.
Vidiny iraisam-pirenena
Ankoatra izay, andrasana ihany koa ny vidin-tsolika vaovao mihatra ho an’ity volana janoary ity. Marihina fa fiovam-bidin-tsolika fa 13 no hihatra amin’izao voalohan’ny taona 2026 izao. Tsiahivina fa nanomboka ny volana janoary 2025 no nampiahatra ny fiovaovan’ny vidin-tsolika isika eto Madagasikara, fanovana izay andrasana eo anelanelan’ny amin’ny 1 ka hatramin’ny 5 andro ny volana itsahina. Araka izany, tokony hifanaraka amin’ny vidin-tsolika maneran-tany ny vidiny eto amintsika. Ao anatin’izany, tsy mihoatra na latsaky ny 200 Ar ny vidin-tsolika vaovao, araka ny fifanarahana natao tamin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena.
Henintsoa




