Ambatoroka : Lehilahy 26 taona maty notsatohan’ny namany antsy

Lehilahy 26 taona maty notsatohan’ny namany antsy, tetsy Ambatoroka, ny 4 janoary, tamin’ny 3 ora hariva. Nahitana dian’antsy roa teo amin’ny fony, izay nitarika azy tamin’ny fahafatesany.

Hitan’ny olona nifamaly tao amin’ny tsena fivarotana zava-pisotro iray io lehilahy namoy ny ainy io sy ny namany iray hafa tamin’io fotoana io. Nandray antsy ny iray ka nanindrona izany tany amin’ny fony ka nahafaty azy. Nandeha nivoaka ny trano izy, rehefa avy nisakafo atoandro tao an-tranony. Handeha hijery baolina ny antony nivoahany ny trano. Nahita sy nanatona ireo telo lahy efa nisotrosotro tao amin’ny toerana fivarotana zava-pisotro iray teny Amba­toroka izy rehefa tafavoaka ny trano. Niditra nanatona ireo namany ireo ity farany, nefa nitrangana fifamaliana teo aminy sy ny iray tamin’ireo olona ireo. Lasa nivoaka tany ivelany kosa ny lehilahy iray hafa (fanintelony) niaraka tamin’izy ireo tao. Efa olona nihosin-dra, nitsirara tamin’ny tany, no hitany tao, rehefa ta­faverina tao ity farany. Na­napa-kevitra nitondra ny narary tany amin’ny hopitaly HJRA Ampe­filoha ny nahavanon-doza sy ny namany iray. Tsy tana anefa ny ainy teny an-dalana nitondrana azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Najanon’ izy ireo tao amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny ra­zana taorian’izay.

Efa voatazona ny nahavanon-doza

« Tonga tao an-trano nampilaza ny zava-nitranga ny le­hilahy iray, izay nanatri-maso ny zava-nitranga, ny afakomaly, hariva », hoy ny vadin’ny maty. Nampandrene­sina mahaka­sika ny zava-nitranga ny polisim-pirenena. Nosamborina ary notanana nanaovana fa­nadihadiana eny anivon’ny brigade criminelle Anosy ilay nahavanon-doza. «Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fifamaliana fa efa mpiadiady lava efa hatry ny mbola kely izy roa lahy ireo », hoy ihany izy. Miady dia mihavana ary tsy mbola tonga ta­min’ny fifamonoana tahaka izao, raha ny fanazavana voaray.
Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny polisy ihany koa ny vadin’ny maty. Tanterahina eny amin’ny fasan-drazany Antsahamarofoza (Ankadikely Ilafy), ny alarobia izao fandevenana.

Mino

Partager sur: