Mila mandeha haingana amin’izay ny governemanta? Araka ny hafatry ny filoham-panjakana tamin’ny fiandohan’ny taona io. Tokony hajanona koa ny adilahy politika sy ny fingampingana. Ilaina ny fifanomezan-tanana, fifampitokisana… Miara-manaiky ny rehetra fa tena ilaina ary tsara ny fanavaozana? Fijery sy fiteny amin’izao ny hoe ny toe-tsaina aloha no mila miova raha hanao fanovana. Izay miova no afa-kanova. Eo koa ny hoe ny tsirairay no mihavao amin’ny fanavaozana ifotony. Mby aiza? Tsy ny tontolo politika na ny rafitra aman-dalàna ihany no mila fanavaozana, fa marolafy ny sehatra itakiana izany: fisainana, fomba fiasa, fifandraisana…
Na izany aza, misy tsy miraharaha? Izay mahamaika azy ihany no imasoany: izay hahazoana fahefam-panjakana, valifaty politika, fiadiana tombontsoa… Tanàna tsy ilaozan’adala? Na saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay mamarara. Tsy fanavaozana efa tokony hirosoana ve ny amin’izany? Na mila mifanara-maso… Iza no manao inona? Anjaran’ny vahoaka tompom-pahefana sy tompon’ny teny farany no mandinika sy mitsara ary manapa-kevitra. Tsy hifamitahana intsony ny fifidianana? Dieny izao, atao ny fanaraha-maso. Izay mangetaheta fanavaozana no azo antoka fa hanao sy hahavita izany. Tsy atao fitaovana politika hamitaham-bahoaka…
Mba ho haingana mivaingana ny hoe fanavaozana, fa tsy angatahana andro na ifampiandrasana. Izay raha tena misy faharesen-dahatra, fahavononana, firaisankina, fahasahiana… Tsy vita mora. Tsy ilaozan’izay manakan-dalana, mamendrofendro, manakorontana… Izay no vao mainka manetsika hambompo sy mampirisika? Tsy fanonganana fotsiny no atao fa fananganana. Ho hitan’ny havany eo izay mivily na miverin-dalana. Tena atao ary hisy tokoa ny fanavaozana. Ho vita eo…
R. Nd.




