Fandaharanasa Fanarenana: nidina nanara-maso teny am-ponja ny masoivoho frantsay

Nanara-maso ny fizotran’ny fandaharanasa Fanarenana ny masoivoho frantsay sy ireo fikambanana miahy ny maha olona. Nidina teny amin’ny fonjan’Antanimora izy ireo.

Notanterahana ny herinandro teo ny atrikasa andiany voalohany nandinihana ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara. Nojerena niaraka tamin’izay ny fampivoarana ny fepetra fitanana sy fiahiana ny maha olona ao am-ponja, eto Ma­dagasikara. Nahitana ny fandraisan’anjaran’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny masoivoho frantsay, ny AFD ary ny fiarahamonim-pirenena misehatra eo amin’ny fiahiana ny maha olona ny atrikasa. Hitohy amin’ny 2 sy 3 marsa izao ny an­diany faharoa.
Nidina nijery imaso ny zava-misy iainana eny amin’ny fonjan’Antanimora ny masoivoho frantsay Arnaud Guillois. Niaraka taminy ny mpanolotsaina misahana ny sosialy sy ny koltoraly eo anivon’ny masoivoho. Nanara-dia azy koa ny talen’ny AFD eto Madagasikara sy ny solontenan’ny fikambanana samihafa. Nojerena ny toerana fitanana am-ponja ireo zaza nania tsy ampy taona. Fotoana nanaraha-maso ny fizotran’ny tetikasa niarahana tamin’ny tompondraikitra malagasy amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Fanarenana” izay tohanan’ny AFD.
Napetraka tamin’ny volana oktobra 2021 ny fandaharanasa Fanarenana. Mikendry ny fampanajana ny zo maha olona anatin’ny fonja eto Madagasikara. Mahatratra 5 tapitrisa Euros ny tetibola natolotra ny minisiteran’ny Fitsarana. Vola ho enti-manohana ny fandraharahana ny fonja sy ny fanatsarana ny fitanana ny voafonja ary ny fanatsarana ny fampiatiana ny voafonja rehefa tafaverina eny amin’ny fiarahamonina in­dray izy ireo. Eo koa anefa ny fanohanana ho fanatsarana ny asan’ny mpiandry fonja.
Fiarahamonim-pirenena sy fikambanana maro no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa. Mijery ny fanatsarana ny sakafo omena ny voafonja sy ny fiahiana ara- pahasalamana izy ireo. Ankoatra izay ny fanomezana rano madio fidiovana ho an’ny voafonja. Man­giny fotsiny ny fanomezana torohevitra ny voafonja mba hahafahany sady manatsara ny fidiram-bola rehefa hiverina eny anivon’ny fiarahamonina no mahalala ny zony izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: