Tanora malagasy : mitondra fiovana sy vina vaovao

Nikarakara hetsika fampiofanana ho an’ny skoto ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena afak’omaly. Fampiofanana mikasika ny fahaizana miatrika fiainana na « lifeskills ». Notontosaina te­tsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina izany. Fanabeazana hahay hamboly kolontsaina sy vina vaovao anatin’ny tanora malagasy ny tanjon’ny hetsika.
Tanora avokoa ny 65 % amin’ny mponina eto Ma­da­gasikara. « Tsy manana ko­lon­tsaina sy lalan-tsaina amin’ny vina ny ankamaroan’izy ireo » hoy ny tale miandraikitra ny fahasalamana sy ny fiarovana ny tanora eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Jososolotiana Tahiriniana Angelo. Maro ny sakana mahazo azy ireo. « Toy ny sakana eo amin’ny tenany, henatra sy tahotra, toe-java-misy eo amin’ny ankohonana ary ny firenena » hoy hatrany izy. Iandrasana ny itondran’izy ireo fiovana ho an’ny tenany manokana, ho an’ny fiarahamonina ary ho an’ny firenena. Tante­rahina amin’ny fahasahiana miavaka, fiovana eo amin’ny foto-pisainana sy fiteny ary fandraisan’andraikitra. Ma­nam­py izany ny fananana fomba fijery miabo sy fahatokisan-tena. Andiany voalohany ny hetsika, mbola hisy ny fampiofanana maro samihafa. Hisy ny fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra sy fizarana mari-piofanana ho an’ireo tanora tonga nanatrika izany.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: