Misy ny fandaharanasa manokana, ny « Internship program », volavolain’ny orinasa, hitiliana ny tanora malagasy manam-pahaizana, homena fiofanana ary homena asa avy eo. Misy koa ny fampiofanana amin’ny seha-pihariana samihafa ho an’ny tanora monina ao amin’ny faritra iasan’Ambatovy.
Ataon’ny orinasa Ambatovy laharam-pahamehana ny fampidirana ny malagasy eto an-toerana hiasa ao aminy. Nanomboka ny volana novambra 2021 ity tetikasa ity, ka nisitraka izany ny tanora miisa 47 avy amin’ny sekoly ambony sy oniversite avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Misy mpiana-draharaha miisa 44 ihany koa noraisina ho mpiasa ny taona 2022.
Mitohy ny fandaharanasa «Internship program» ary toraka izany koa ny fanatonana ireo sekoly ambony, hitiliana ny tanora mendrika. Nisy ny famelabelarana miaraka amin’ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’izay liana maniry hiditra hiasa ao amin’ny orinasa Ambatovy. Isan’izany ny tany Antsiranana, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa ary Antananarivo, natao ny volana desambra 2022 sy ny janoary 2023.
Tanora 807 niofana sehatra samihafa
Ankoatra izany, misy koa ny tetikasa ataon’Ambatovy, mikasika ny fampananana asa ny tanora any amin’ny faritra iasany. Toy ny fampiofanana, tany Moramanga, momba ny seha-pihariana fanaovana petakofehy, ny momba ny vy (soudure), ny fandikana teny vahiny, natao ny volana oktobra sy novambra 2022 teo. Namatsy vola ny fiofanana sy ny fanentanana ho an’ny fanatsarana ny fampiasana ny lalana ao Moramanga ihany koa ny orinasa Ambatovy. Miisa 807 ireo nisitraka izany, sady nizarana mari-piofanana rahateo.
Akora efa niasa omena aina vao
Manampy ireo, nisy koa ny tetikasa hanomezana aina vao indray ny zavatra efa niasa an’ny orinasa Ambatovy. Natao sonia, ny desambra 2022 teo, ny fifanarahana eo aminy sy ny fikambanana Vonjy Aina, hanodinana ny zavatra efa niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy. Haharitra dimy taona ny fiaraha-miasa ary azo havaozina. Isan’ny voakasik’ izany ny akora plastika, barika vy, kodiarana, ho hahodina indray ho lasa fitaovam-piasana eny an-jaridaina sy eny an-tsaha, toy ny siny fanondrahana, borety, «pavés auto-bloquants», fanaka seza plastika, sns.
Njaka Andriantefiarinesy
Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Faritra mando koa ny orinasa Ambatovy. Natao ny 2 febroary teo izany tany Maromahatsinjo, ao anatin’ny faritra arovana Torotorotsy, distrika Moramanga. Iarahany miasa amin’ny Asity Madagasikara ny fikajiana ity faritra arovana ity sady ao anatin’ny Site Ramsar.