Cementis Ibity : hahatratra 1.000.000 t isan-taona ny simenitra vokarina

Hany mamokatra simenitra eto Madagasikara, ny orinasa Cementis, na Holcim teo aloha any Ibity Antsirabe, faritra Vakinankaratra. Hita any an-toerana daholo ny ako­ra fototra tena ilaina amin’ny fanamboarana simenitra, toy ny «calcaire», ny tanimanga, ny gypsa, ny «pouzzulane», sns. Nitsidika tany an-toerana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny akora stratejika (MMRS), Rakoto­ma­lala Herindrainy Olivier, ny zoma 3 febroary teo. No­jereny koa ny fanatanterahana ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana malagasy sy ity orinasa ity, mba hampiakarana avo dimy heny ny vokatry ny Cimentis. Satria, raha 200.000 taonina isan-taona ny famokarany teo aloha, hitarina ho 1.000.000 taonina isan-taona izany.

Antitra ny fotodrafitrasa
Tanjona ny hamatsiana ny tsena ato anatiny sy hampihenana ny fanafarana avy any ive­lany. Ampy tsara ny tahi­rin’ny akora «calcaire» any Ibity, azo ampiasaina ato anatin’ny 40 taona, mifanandrify amin’io tanjona io. Miankina amin’ny orinasa Cementis ny famatsiam-bola hananganana fotodrafitrasa fanitarana ny orinasa. Nanentana ny hanafainganana izany ny minisitra, hanatrarana ny fandaharanasa fisandratan’i Madagasikara (PEM). Tsiahivina fa antitra ny fotodrafitrasa, efa tamin’ny 38 taona lasa (1985) no mbola ampiasain’ny Cementis, ankehitriny.

Narahi-maso ny tamberim-bidy
Ankoatra izany, nitsidika ny kaominina Ibity, distrika Antsirabe II koa ny minisitra Rakotomalala Herindrainy. Nojereny ny fomba ampiasan’ny kaominina ny tamberim-bidy aloan’ny orinasa Cemen­tis. Nampiasaina izany toy ny nananganana fotodrafitrasa sekoly lisea, ahitana efitrano miisa enina sy rihana iray, efa eo andalam- pahavitana.
Marihina fa azon’ny tompon’andaikitra tsinjovina ta­o­na maromaro mialoha ny vola tokony hiditra amin’ny faritra iray. Tokony ho voaomana tsara, araka izany, ny fampiasana ireo fidiram-bola ireo arakaraka ny filana sy ny laharam-pahamehan’ny kaominina sy ny faritra, mba tsy ho lanilany foana izany.

Njaka A.

 

Partager sur: