Tsaranazy Jean Emile: 40 taona vao tokony ho simba ny lalana

Naneho hevitra ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile, mikasika ny lalana eto amintsika. Nambarany, fa “latsaky ny 30 taona avokoa ny faharetan’ny lalana eto amin­tsika, ankehitriny. Tokony ho manodidina ny 40 taona anefa vao ho simba ny lalana, raha ampy tsara ny fikojakojana azy. Tsy mipetraka ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana eto amin­tsika, sady mora loatra ny tetibola omen’ny fanjakana ny orinasa manao ny asa”. No­ma­rihiny koa fa tsy hajaina ny lanja zakan’ny lalana, tokony hataon’ny fiara vaventy mpitatitra entana. Etsy ankilany, tsy ampy ny sambo na ny lalamby mitatitra entana mavesatra (vy, simenitra, vary, siramamy, solika, …), ka lasa entin’ny fiara daholo, miainga any Toama­si­na mankaty Antananarivo. Mila mifanandrify amin’ny hatevin’ny lalana, ny vesatra. Tsy tokony hihoatra ny 30 taonina ny fetran’ny lanja azo entin’ny kamiao, nefa misy efa mahatratra 40 taonina.

Mampihemotra ny mpama­tsy vola vahiny
Notsindrin’ny jeneraly Tsa­ra­nazy J.E., fa tokony misy ny fikojakojana ny lalana mari-potoana, isaky ny 5, 10 ary 15 taona. “Mila hajaina ireo fepetra ireo, raha te hanana lalana maharitra isika. Sady mampihemotra ny mpamatsy vola vahiny ny fahapotehan’ny lalana matetika”, hoy ihany izy.

Misy ny Tahirim-bola hi­ko­ja­­kojana ny lalana (Fond rou­tier), azo avy amin’ny fividi­a­nan’ny mpanjifa solika. No­ma­ri­­hiny anefa fa “toa lasa any a­min’ny zavatra hafa io vola io”.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: