Fientanam-po, miharo ranomasom-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka malagasy, ny Barea de Madagascar. Tafaverina an-tanindrazana, omaly izy ireo, rehefa avy niatrika ny “Chan 2022”, natao tany Algerie, ka nahazoana ny medaly alimo.
Namerina ny firaisankinan’ny malagasy an-tapitrisany indray ny Barea de Madagascar. Voaporofo izany rehefa avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022” izy ireo. Lalao nifarana ny asabotsy lasa teo, tany Algerie. Toy ny nandray mpanjaka ny fandraisan’ny malagasy ireo mpilalao sy ny mpitantana. Nakotroka, tena nafana vay ny fitsenana azy ireo, teny Ivato, omaly.
Vahoaka tsy tambo nisaina no nifanesika nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina hatreny Mahamasina, toerana nandraisana azy ireo. Tsy vitan’ny nitsena fa nihoby sy nihoraka ary nitehaka ireo mahery fo.
Tamin’ny 1 ora sy sasany folakandro no nigadona teo Ivato ny fiaramanidina Ethiopian Airlines, nitondra ny delegasiona malagasy. “Capuchon” volon-davenona sy pataloha mainty, ny fanamiana nanaovan’ireo mpilalao miaraka amin’ny mpanazatra sy ny ekipa teknika rehetra.
Ankoatra ireo mpankafy, tonga nitsena azy ireo ny vady aman-janany sy ny namana. Tazana teny an-toerana koa ireo tomponandraikitry ny federasiona. Manginy fotsiny ireo olom-panjakana samihafa, ny ben’ny Tanànan’Ivato sy Andoharanofotsy, ny goverinoran’Analamanga, ny solombavambahoaka sy minisitra.
Sary fahatsiarovana
Vao tafiditra tao amin’ny efitrano nandraisana azy, efa nifandrombahana ny naka sary tamin’izy ireo, niaraka tamin’ ny medaly alimo teny am-bozony. Tsy lahy, tsy vavy ary hatramin’ny mpanao gazety aza, mba nanararaotra nanao izany.
Tamin’ny 3 ora folakandro, niakatra ny fiarabe nitondra azy ireo, ny mpilalao ka nitanjozotra nihazo an’i Tsarasaotra, Ankorondrano, Antanimena, Analakely, ary Mahamasina.
Feno olona manofahofa sainam-pirenena, mitafy ny akajon’ny Barea miloko mena sy maintso nanemitra ny lalana nolalovan’izy ireo. Tsy nifandrenesana ny kipentsona sy ny kiririoka. Tao ireo nilanja sora-baventy maneho fisaorana. Nisy ireo olona latsa-dranomasom-pifaliana tamin’ny fahitana ireto mahery fo.
Tamin’ny 4 ora sy fahefany no tonga tao amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina ny Barea. Efa vahoaka an’aliny no niandry an-dry zalahy. Nisy ny fampahafantarana ny mpilalao, nialoha ny kabarin’ny filoham-pirenena. Nandravaka ny lanonana ny seho nataon’ny mpakanato. Efa alina vao nisaraka ny rehetra.
Fitia ( Mpianatra asa)
HOY IZY IREO
-Nina (Mpiandry tsatoby) : Faly aho satria tonga soa aman-tsara eto an-tanindrazana, indrindra mifanatri-tava indray amin’ny fianakaviako sy ny vahoaka malagasy. Tsy nitsanga- menatra isika nandritra iny “Chan 2022” tany Algerie, iny. Tsy nampoiziko mihitsy ilay fitsenana makotrokabe toa izao. Misaotra indrindra ho an’izay rehetra tonga sy nanotrona.
-Mario Carlos (Lohalaharana) : Misaotra an’Andriamanitra nitantana ny dianay ka tonga eto Madagasikara. Mankasitraka tanteraka ny vahoaka malagasy nanohana anay ary sambany teo amin’ny fiainako no notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka toy izao.
-Rakotondrabe Romuald Felix Rôrô (Mpanazatra) : Faly tanteraka aho, mahita antsika rehetra tonga mitsena anay. Nanam-bitana aho niaraka tamin’ireo mpilalao satria izy ireo no tena nazahoana iny vokatra iny, fa ny tenako izay mpanazatra nanome toro-lalana fotsiny. Isaorako be dia be ihany koa ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka fa nipaka tany aminay ny vavaka sy ny fanohanana avy amin’izy ireo.
-Rakotoarimanana Henintsoa Tôta (Filohan’ny CFEM) : Faly fa namoaka vokatra tsara ny klioba, nifaninana tamin’ny OPL. Isaorana avokoa ny filohan’ny ekipa rehetra namolavola ireo mpilalao ireo. Mila omena lanja ny klioba nipoiran-dry zalahy. Tanjona ny hiakatra amin’ny ambony kokoa hatrany.
Nangonon’i Fitia sy Mi.Raz