Tapaka fa hotanterahina ny 2 avrily ho avy izao ny fifaninanam-pirenena amin’ ny Trail 2022. Fifaninanana, hatao any Ibity ary miditra amin’ny andiany fahafito. Hiavaka kely ny amin’ity satria mpifaninana mahatratra 1000 no andrasana, amin’izany ka mety hisy ireo avy any ivelany. Tsy mifidy fa afaka mandray anjara daholo na ankizy na tanora na ireo efa lehibe, na matihanina na ireo mbola vao sambany hifaninana.
Ankoatra ny maha fanatanjahantena azy, hiara-dalana amin’ny fizahantany. Tsy misy fiovana ny halaviran-dalana. Hisy ny hazakazaka 30 sy 12 km ka handehanana an-tongotra na hihazakazahana hianihana tendrombohitra, natokana ho an’ireo olona manana toe-batana matanjaka.
Eo koa ny halavirana 2 km, natao hizahana ireo zava-boahary, ka ireo ankizy sy ny olon-dehibe no tena hiatrika izany. Eo koa ny lalana hizahana ny tendrombohitr’Ibity, manankarena zava-boahary sy zava-tsarobidy ao amin’ny kaominina Ibity, 25 km atsimon’Antsirabe. Tanjona amin’ity Trail d’Ibity ity ny hanangonam-bola hanampiana ireo ankizy tratry ny tsy fahampian-tsakafo, izay raisina an-tanana sy karakaraina ao amin’ny tranon’ny tsy fanjarian-tsakafo ao Ibity.
Efa nisokatra nanomboka ny 2 febroary lasa teo ny fisoratana anarana ary hifarana ny 30 marsa, ho avy izao. Samy hisy toerana hanatontosana izany avokoa Antananarivo sy Antsirabe.
Torcelin