Rafanomezantsoa Jean Nirina: “Matoa mpandresy dia misy ady natrehana…”

“Miarahaba ny ekipam-pirenena Barea-n’i Madaga­si­­kara aho nahavita dingana goavana. Misy antony maro nahatonga izao fahombiazana izao fa amin’ny fanatanjahantena dia ilaina ny firaisankina sy ny fiombonam-po”, hoy ny filohan’ny Hafari Ma­la­gasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina niarahaba ny Barea-n’i Madagasikara ma­noloana ny zava-bitan’izy ireo ka nahazoana ny laharana fahatelo aty Afrika. Nam­barany fa eo amin’ny fiainana tsy voatery ho manam-pahaizana ihany vao tafita. Ny feon’ny fieritreretana avy amin’ny fanahy Masina ao anatin’ny tsirairay no antoky ny fahombiazana satria tsy misy nateraka ho resy. Nohama­fisiny aza fa misy hatrany ny fitsapana ary mila mahalala ny tsirairay fa matoa mandresy dia misy ny ady natrehana. “Tsy tokony ho sakana amin’ny fiainana ny fanenjehana sy ny fanakianana fa mila mahatratra tanjona, tsy tokony hatahotra fa tena vonona hibanjina fandresena”, hoy izy. Fepetra hahatongavana amin’ny fandresana anefa dia ny famelan-keloka. “Raha te ho mpandresy, ilaina ny fahadiovam-po sy ny tanjaky ny fanahy. Mba hananana fandresena, mila mahatoky tena ny olona tsirairay ary manana fahaizana hatrany”, araka ny fanazavany. Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, raisina miabo ny fanenjehana ataon’ny hafa ary ilaina ny manetry tena. Ilaina koa ny fananana fanapahan-kevitra mametra-pialana rehefa tsy mahomby amin’ny zavatra izay atao.

Jean Claude

Partager sur: