Toamasina : Oratsimba 7 taonina mahery nogiazana

Tsy ara-dalàna. Nogiazana avokoa ireo oratsimba milanja 7 491 kilao tratra nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny Centre de Surveillance des Pêches (CSP) tao Toamasina, ny volana desambra teo. Nivoitra tao anatin’ny fitsirihana fa tsy ampy refy ary tsy nanaraka ny fepetra takina amin’ny fanondranana ny 2 441 kilao tamin’ireo vokatra. Ankoatra izay, mbola tsy nanana taratasy fahazoan-dalana hanondrana ihany koa ilay orinasa tompom-bokatra. Nandraisana fepetra ka nogiazana avy hatrany ireo oratsimba. Tonga tany an-toerana nijery ny zava-nisy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Chan Kit Waye Jacob ary nilaza fa niainga avy tao Taolagnaro ireo vokatra ireo. Hentitra ny minisitra ka nanan­titrantitra fa “tsy azo ekena velively ny fandikan-dalàna eo amin’ny sehatry ny jono”. Sazian’ny lalàna hoy izy izay minia mbola mandika izany.
Misokatra ho an’ny rehetra ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina. Hamorain’ny minisitera ihany koa ny fepetra momba ny fangatahana fahazoan-dalana indrindra ho an’ireo mpisehatra eny ifotony. Araka izany, vita eny anivon’ny faritra ny fangatahana ataony ary tsy voatery miakatra eto Anta­nanarivo ireo mpandraharaha. Ankilany, nanentana ireo mpisehatra hanaja hatrany ny lalàna mifehy ny jono hatrany ny minisitra, indrindra ny fotoana fikatonan’ny taom-panjonona. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny refy takina amin’ny fitrandrahana ireo vokatra an-dranomasina samihafa mba hiantohana ny fitrandrahana maharitra sy lovainjafy ny loharanon-karena an-dranomasina. Nampirisika ny mpandraharaha malagasy hisehatra amin’ny jono sy ny fanondranana ihany koa ny tenany ho fampiroboroboana ny harinkarena faobe.

Henintsoa

Partager sur: