Mila mangina

 

Tsy mahavarina intsony ny fivoaran’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana. Mangina tsy misy miteny
intsony aloha ny mpitondra teo aloha. Misy ihany ireo manao ranty amin’ny tambajotran-tserasera saingy ireo any ivelany no mahasahy. Misy ny milaza ho mpisintona lakolosy saingy mijanona ho ana habaka ihany noho ny tahotra. Ny ranty atao aza mbola mitandrina be.
Etsy ankilan’izany, mahazo vahana ny fanilihana sy famongorana ireo “ forongony”, teny fanesoana miharo fanambaniana ny olona niaraka tamin’ny volomboasary. Vao miainga ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra iray dia efa hay mazava fa lasibatra voalohany izay ma­mofompofona TGV. Tsy misy indrafo intsony fa rehefa tsy namana dia voadaka mafy.
Fetsy sy milalao lalàna ny mpanao politika. Samy mitady hirika ny hifamotehana kanefa tsy ahafahana mamatotra rahatrizay mitsimbadika ny tantara. Mifam­piandry kendritohina koa anefa vao misy kihon-dalana dia efa milako avy hatrany sy manao tsindrio fa lavo. Iza tokoa moa no hiaro ny kamboty tsy misy mpiahy manoloana ny henjana sy ny tompom-pahefana?
Ny fahendrena amin’izao fotoana izao dia ny fahai­zana manaiky ho resy aloha. Mangina volamena! Manaraka ny onja sy ny fitopatopan’ny rano. Tsy azo atao mihitsy aloha ny mazan-doha sy tokam-po, ary tsy mivadika amin’ ilay taloha. Sazy avy hatrany no miandry sy mihatra. Ny olona rahateo miova ka na nilaza ny tsy hanao valifaty politika aza dia mirona mankany ihany ny sasany.
Mitsimbadibadika eo rahateo ny raharaham-pirenena ka izay mahay milomano ihany no tsy maty an-drano. Izay mahay milampilampy no tafavoaka. Tsy misy diso anjara fizarana tombontsoa rehefa mahay manasohaso sy manakombom-bava.

r.r

Partager sur: