Tsy mety tafapaka any amin’ny tontolon’ny fanabeazana mihitsy ny fanomezan-kasina ny teny malagasy. Efa donton’ireo tsindry avy any ivelany ka tsy mahatsiaro tena ho manao valalanamboa ?
Fantatra sy voarakitra tsara ao anaty tantara fa «… Raha tonga teto Madagasikara ny misionera LMS (London Missionary Society), ka nanomboka nampianatra, ny taona 1820. Tamin’ny teny malagasy avokoa no nampitan’izy ireo ny fahalalana sy nizarany fahaizana ». Ny vahiny izay vonona ny hanao rapa-dango an’i Madagasikara sy ny momba azy iray manontolo aza nampiasa ny teny malagasy ho teny ibeazana sy hampitam-pahalalana.
Satria, fantatr’ireto vahiny ireto fa tsy misy zava-manjary eto raha ny teniny no hoenti-manabe sy mampianatra ny Malagasy. Hainy tsara fa mora sy tsotra ny mifandray amin’ny Malagasy raha ny teny malagasy no ampiasaina. Izay no voajanahary.Voarakitra ao anaty tantara ihany koa fa : «… Nanomboka ny taona 1897, tamin’ny andron’i Gallieni. Natao tompon-trano mihono ny tenin-drazana nanoloana ny teny frantsay. Voasalotra ny anarana hoe teny baiko izy io nanomboka teo ».
… Taona 2026, mbola io anabeazana sy ampianaran’ny Malagasy ny zanany io ihany ilay teny nibaikobaikoana ny razany. Ifampiresahan’ ny zanaka sy ny ray aman-dreny ao an-tokantrano. Ananarana sy hanoroan’ny ray aman-dreny ny zanany. Ifampiresahan’ny samy mpianatra any an-tsekoly. Voasazy raha heno miteny malagasy. Hampitana fahalalana ho an’ny mpianatra, sns. Mbola voasoratry ny mpahay tantara ihany koa fa « mba hanala tanteraka ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ ny Malagasy. Tsy navela hiteny ny tenin-drazany izy »
… Na izany aza, tsy tokony hiverina intsony ny lalan-diso narahina tamin’ny fanatanterahana ny « fanagasiana » (1972 – 1975 – 1978…). Mila beazina sy ampianarina amin’ ny teniny ny Malagasy. Ny teny malagasy no hoenti-manabe sy mitaiza ary hampitam-pahalalana.
HaRy Razafindrakoto




