Marihina, anio, ny « Androm-pirenena ho an’ny kabary ». Zavakanto, kolontsaina, soatoavina, anisan’ny mivelatra be ny kabary raha tazanina amin’ny isan’ny hetsika sy ny olona misehatra ao aminy. Saika ahitana fampianarana sy fampiofanana momba ny kabary ny ankamaroan’ny sekoly, indrindra fa ny tanàn-dehibe. Ny ankamaroan’ny « hetsika », saika ahitana kabary avokoa. Tsy vitsy amin’ireo mpikabary ihany koa, anefa, ny miloa-bava fa misy lesoka lehibe ny kabary. Ao ny fanaovana tsianjery, ny tsy fahampian’ny fahaiza-mifehy ny teny sy ny fomba malagasy, ny fitarihana ny kabary ho any amin’ny fampihomehezana ranoiray, sns.
Mila fanarenana avokoa ireny raha tiana hiverin-kasina ity kolontsaina iray ity. Tsy ny endrika ivelany no maha kabary ny kabary fa ilay « fanahy » ao anatiny. Noho izany, mitaky fanatevenana bebe kokoa ny fampianarana kabary. Raha mbola tsy misy. Ampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny kabary ny tantara sy ny fomba amam-panao. Tahaka izany ihany koa ny fandalinana momba ny teny malagasy, sns.
Heno any anaty kabary matetika ny hoe: « miala tsiny, miala fondro, miala salohy fito ». Firy amin’ireo lazaina ho mpikabary no mahay azy ireo?
HaRy Razafindrakoto




