Taorian’ilay zaza very nanaovana antso avo tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ankizy efatra indray koa no nilaozan’ny mpiara-dia tamin’ izy ireo. Natolotra ny polisy misahana ny ankizy tsy ampy taona (PMPM) ry zarao ka nanaovana antso avo tamin’izay ray aman-dreniny. Tonga naka ny zanany teny amin’ny polisy PMPM ny fianakavian’ireo ankizy rehefa nahita ny fampahafantarana nataon’ny polisy. Nisy ny torolalana sy ny anatra nomen’ny polisy amin’ny tokony hitazonana tsara ny ankizy rehefa manatrika lanonana toy izao indrindra rehefa vory vahoaka. Nifanitsa-kitro tanteraka ny olona nandritra ity lanonana teny Mahamasina ity. Nilaza ny ray aman-drenin’ireo ankizy fa tafasaraka taminy ny ankizy. Noho ny hamaroan’ny olona anefa tsy hita izay nanjavonany. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana rehefa misy fety mahavory lanona olona marobe toy izao rehefa mitondra ankizy.
Jean Claude