Migadra aloha ingahy bekintana iny. Migadra ihany koa ny tanan-kavanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Any mandritra ny fotoana tsy mbola hay satria miandry datim-pitsarana sy fivoaran’ny raharaha politika. Fanohintohinana ny fiandrianan’ny fanjakana sy fampirisihana fanakorontanana moa no vesatra. Tsy maintsy misalotra ny sata gadra politika indray izy ireo. Ny mpisolovava rahateo manamafy fa sotasota politika no mahazo ireo mpanjifany.
Fomba fitenin’ny mpanao politika eto amin’ny tanàna matetika no handeha hindramina dia ny hoe tsy misy maharitra mandrakizay eo amin’ny seza sy ny hoe tsimatimanota. Voaporofo mihitsy izany tamin’ity indray mandeha ity. Na noheverina fa tsy hiontsona sy tsy ho voaongotra tamin’ny toerany aza ny sasany, toa indray mipi-maso dia rava ny tsena. Vaky nandositra izay afaka nanao izany, nisitrika kosa ny vato namelan-kafatra. Iaraha-miaina ny fiafarany. Nosamborina sy nogadraina, ary nogiazana ny fananany.
Fanontaniana mipetraka anefa dia ny hoe: tena izay ve ilay fanavaozana? Lasa mandova ny ratsy nataon’ny teo aloha ihany ny mpandimby. Toa misarisary kilalao maloto sy zary fitaovana hanimbana olona manokana ilay resaka. Baikoin’ny tsy fitiavana dia manindry ny efa marefo sy resy tsy miady. Na inona na inona zava-misy, tsy misy mpanohitra intsony eto Madagasikara. Midika izany fa efa fotoan’ny asa izao. Ny bainga voavadika no andrasan’ny Malagasy. Ny vokatra hotazana no mahamaika ny besinimaro.
Mitaky fahamalinana matotra amin’ny mpitondra ny zava-miseho. Sanatrian’ny vava ka ho boribory vetaveta ampiahiahy ny fizotry ny raharaham-pirenena. Ho zary ifandimbiasana ny fifamotehana sy fifanagadrana. Mazava anefa ny lahatenin’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, afakomaly, teny amin’ny CCI, fa asa ahitam-bokany no lohalaharana sy ho lohalisitra amin’ny fitondrana izay tarihiny. Tsy kabary intsony fa ezaka mivadika vokatra.
Andrasana, araka izany, ny ho fivoaran’ny tontolo politika. Ny lafiny teknika kosa tena efa miroborobo sy mendri-piderana ilay fitondrana. Mihazakazaka ny fametrahana ilay firenena amin’ny toerana mendrika azy na ato anatiny na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
r.r




