Mahamasina : miandrandra ny tsena vaovao ny mpivarotra

Nihaona tetsy amin’ny tsena vaovao Anosy, omaly, ny fikambanan’ny mpiva­rotra Mandresy, etsy Maha­masina sy Andrefan’Ambo­hi­janahary niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsi­tohaina Naina. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fitokanana ny tsena izay tsy maintsy hatao, aorian’ny fandaminana ifanarahan’ny mpivarotra, araka ny tenin’ ny ben’ny Tanàna. Hisitraka ny tsena vaovao avokoa ny mpivarotra. Tanjona ny hialana amin’ny varotra amoron-dalana, manelingelina ny endriky ny tanàna.
Mbola hisy kosa ny fandaminana anatiny ataon’ny fikambanana mahakasika izany. Mivarotra friperie ny ankamaroan’izy ireo, izay mampalaza ny tsenan’i Maha­masina rahateo. Misy ny mivarotra zaitra an-tsena sy kojakoja hafa sy ny mpivarotra sakafo masaka…
Tsiahivina, efa nahavita ny fifanarahana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny mpivarotra. Efa Dodona hiditra ao ana­tin’ny tsena izy ireo. Efa ni­santatra nijery ny fotodrafitrasa, omaly, nentin’ny ben’ ny Tanàna mivantana.
In-telo isan-taona no misy ny fihaonamben’ireo mpivarotra, toy ny natao omaly. Entina hanamafisana orina ny fihavanan’ny mpivarotra sy mamelona ny fikamba­nana.

Tatiana A

Partager sur: