Homarihina ny 11sy 12 febroary izao any Ampefy ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina notsinotsinoavina. Tafiditra ao anatin’ireo sokajin’aretina tsy dia mampiraika loatra ny aretina ateraky ny kankana toy ny bilarziozy, ny sakoitra, ny ongobe… Manodidina ny 20 ireo karazan’aretina tsinontsiniavina kanefa mety hiteraka fahasamponana na kilema, eny mety hitarika hatramin’ny fahafatesana aza.
Matetika ireo sokajin’ olona tena sahirana sy voailika eny amin’ny fiarahamonina toy ny zaza amam-behivavy sy ny zokiolona no tratran’ireo karazan’aretina ireny.
Hisy, araka izany, ny karazana fitiliana mikasika ireo aretina ireo mandritra ny roa andron’ny fanamarihana. Ankoatra izany ny fizarana odin-kankana maimaimpoana, ny fitiliana ny aretina Hepatite B.
Hotanterahina mandritra izany ny fanentanana amin’ny ady amin’ny aretina pesta izay mirongatra amin’ny fotoan’ny hafanana toy
izao. Eo koa ny fanentanana amin’ny aretina habokana izay mbola misy eny amin’ ny fiarahamonina. Ankoatra izany Hisy fanaovam-baksiny maimaimpoana ireo alika sy saka manan-tompo ihany koa.
Tatiana A