Fiara Sprinter iray tra-doza tany Behenjy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Olona efatra naratra vokatr’izany, ary nentina avy hatrany eo anivon’ny toeram-pitsaboana Ambatolampy izy ireo. Niainga tany Vohipeno io fiara mpitatitra io. Izay nitondra fianakaviana hamonjy fahoriana hihazo an’Antananarivo Renivohitra. Nandeha mafy ny fiara ary vaky kodiarana tampoka ka nitarika tamin’ny fahavoazana 1 km tsy hahatongavana an’Ankadilalana Behenjy.




