Rugby malagasy : mitaky ny fivoriambe ara-potoana ireo ligy 7

Tonga tao amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahatena teny Ambohijatovo, omaly, ireo filohan’ny ligy fito tsy ma­naiky ny nahalany an-dRako­to­malala Marcel, filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Rugby (FMR). Isan’izany ny filohan’ny ligy avy any Me­nabe, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vaki­nankaratra, Diana, ary Betsi­boka. Izy ireo izay hanatitra ilay taratasy fangatahana ny hanaovana fivoriambe ara-potoana, rehefa nahafeno fetr’ isa na “Quorum” izay takian’ ny ministera.
“Tsy hitondra korontana ho an’ny Rugby izahay fa hiezaka ny handravona ny olana misy sy hampandroso ity ta­ranja ity.”, hoy Atoa Rasolon­janahary Tefy Harivony, filohan’ny ligy Betsiboka, Rugby. “Tsy misy resaka politika ny resaka satria izay no sata mifehy ny fanatanjahatena.”; hoy hatrany ny fanazavana.
Nilaza ihany koa ireto filohan’ny ligy ireto fa tsy nampahafantarina azy ireo ilay kandida hofidiana tany Toliara. Izay no voalaza fa nakan’izy ireo, fanapahan-kevitra ny tsy nandeha tany an-toerana. “ Tokony amin’ny “AG extra” no hanamboarana ny kaomitim-pifidianana. “Man­gataka ny kaomity Olympika malagasy ny mba hijery ny taranja Rugby fa tsy ilay olona.” Hoy hatrany ity filohan’ny ligin’i Betsiboka ity.
Marihina fa nankasitra­han’ny minisitera ilay taratasy fangatahana

.
Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: