Fiaraha-miasa : Hanohana ny fikaonandoham-pirenena ny Frankofonia

Nihaona tany Paris ny herinandro teo ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine sy ny sekre­tera jeneralin’ny Frankofonia (OIF). Nivoitra tamin’ny izany ny dinika momba ny raharaham-pirenena.

Nanamafy indray ny fa­nohanany an’i Mada­gasikara ny « Organi­sa­tion internationale de la Fran­cophonie – OIF) ». Nam­ba­ran’ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia, Louise Mushi­kiwabo miara-dalana amin­tsika ho amin’ny fananganana fanavaozana matanjaka sy maharitra izy ireo. « Anisan’ iza­ny ny fanamafisana ny fitoniana ara-politika ho an’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ny fikaonandoham-pirenena, mirindra sy andraisan’ny rehetra anjara », hoy izy. Nanteriny fa heverina ho mifanaraka amin’ny hetaheta sy ny fanirian’ny vahoaka malagasy izany, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, nambaran’ny minisitra kosa fa mitana andraikitra lehibe ny fanohanan’ny OIF amin’ny fianto­hana ny fifidianana malalaka, mangarahara ary azo itokisana. « Heverina ho andry iray lehibe amin’ny fanamafisana ny demokrasia sy ny fitoniana eto amin’ny firenena izany », hoy izy.

Hery lehibe ny tanora

Niantso ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toeka­rena eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena mpikambana ao amin’ny Frankofonia koa ny minisitra ho amin’ny fanohanana ny fampandrosoana maharitra. Nohamafisiny tao anatin’izany ny andraikitry ny tanora. « Raisinay ho hery lehibe manosika amin’ny fanavaozana sy ny fandrosoan’ny firenena izany », hoy ihany izy.
Notsindrin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny fa anisan’ ny laharam-pahamehana na­petraka ireo voalaza rehetra ireo. Mifanaraka tanteraka amin’ny vinan’ny filohan’ny fanavaoazana Randrianirina Michaël. « Mikendry ny ha­nan­ganana Madagasikara mila­mina, mandroso ary miorina amin’ny fitantanana tsa­ra », hoy hatrany izy.

Synèse R.

Partager sur: