Miandry aloha. Nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, fa misy fepetra ny firosoana amin’ny fifidianana ireo ho lehiben’ny fokontany. « Tena ilaina fitoniana izany vao hotanterahina. Miankina amin’ny zava-misy », hoy izy. Nanteriny fa efa vonona hiroso amin’izany ny eo anivon’ny minisitera tantaniny amin’ny andraikitra tandrify azy. Na izany aza anefa, tsy azo ihodivirana ny fanendrena ireo sefo fokontany amin’ny toerana maromaro, ahitana fahabangan-toerana amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany hatrany.
Mbola andrasana koa anefa ny ho fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena, hamaritra ireo fifidianana samihafa tokony hotanterahina eto amin’ny firenena. Efa natsidiky ny ankamaroan’ireo mpanao politika fa tokony hatomboka avy eny ifotony ny fifidianana hatao ka anisan’izany ny eny amin’ny fokontany.
Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena
Miakatra eo anivon’ny kaominina avy eo ny fifidianana, mialoha ny fifidianana solombavambahoaka eny amin’ ny distrika ary mamarana izany ny fifidianana filoham-pirenena. Miankina amin’ny fikaonandoha aloha izany hatreto ny hoavin’ireo ho lehiben’ny fokontany.
Tsiahivina fa efa nilaza ny fahavononany ny hanatanteraka ny fifidianana lehiben’ny fokontany ny teto an-dRenivohitra ny volana novambra teo, tamin’ny alalan’ny « Prefet » teo aloha. Tsy tanteraka anefa izany noho ny resaka politika sy ny fihaonana teo amin’ireo solombavambahoaka sy ny prefektiora tamin’izany.
Synèse R.




