Tsy mahazatra ny sasany ny ady amin’ny tsimatimanota, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. « Tsy midika ho valifaty politika izany. Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka misitraka marina ny harem-pireneny fa tsy famoretana na fanenjehana olona tsy an-drariny », hoy izy tetsy Anosy ny zoma teo.
Lohalaharana amin’ny fanampian’i Frantsa ny famahana olana eo amin’ny jiro sy rano ary ny fanamboaran-dalana. Nivoitra izany tamin’ny dinikasa teny Mahazoarivo teo amin’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama sy ireo mpandraharaha malagasy sy Frantsay, ny herinandro teo. Miisa 29 ireo tetikasa ka hovitaina anatin’ny 12 volana ny 14 amin’izany.
Misy fepetra tsy maintsy arahana ny fametrahana delegasionina manokana (PDS), hitantana kaominina, araka ny fampahatsiahivan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Anisan’izany ny fahafatesana, ny tsy fahatongavana miasa voamarina sy fandaozana toeram-piasana. Eo koa ny fametraham-pialana ary koa ny fionganana.
Nanazava ny momba azy sy ny depiote Tinoka Roberto ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny. Nambarany fa amin’ny maha olona ny fihavanana sy ny famelan-keloka. « Ady hevitra sy safidy amin’ny fitantanana ny firenena ny politika fa
fitsipika tsy maintsy hajaina ny lalàna ary tsy misy ambonin’ny lalàna », hoy izy.




