Fampananana asa : Asa 5 000 ho an’ny tanora ao anatin’ny roa taona

Hamorona asa mendrika ao amin’ny faritra atsinanana mandritra ny roa taona ilay tetikasa “asa 5 000 ho an’ny tanora”. Fandaharanasa tarihan’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana.

Fanamby goavan’ny fanjakana ny fampanan’asa ny tanora ho antoky ny fampandrosoana ny firenena. Antony indrindra nametrahana ny tetikasa tao amin’ny Pact Toamasina ny sabotsy teo, nandritra ny fitsidihana nataon’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, niaraka tamin’ny mini­sitry ny Asa, ny fampananan’ asa ary ny asam-panjakana, Rtoa Florent Soatiana Bety. Mitarika sy manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana (MTFOP), manohana ny ara-teknika ny Maison de l’emploi et de la Formation de la Région Atsi­nanana. Kendrena manokana ireo tanora 18 ka hatramin’ny 25 taona avy an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra, manana diplaoma na tsia. Araka izany, hatokana ho an’ny asa tena sy ny fandraharahana ny 75% amin’ireo asa 5 000 apetraka raha toa ka atao asa anatina orinasa ara-dalàna ny 25%.

Sehatra

Laharam-pahamehana ao anatin’ny fandaharanasa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Eo ihany koa ny fitaterana sy lozistika, ny angovo azo ha­vaozina ary ny fanorenana. Hahazo fanohanana feno, noho izany, ireo tanora mpisitraka, miainga amin’ny fitarihana arak’asa, ny fiofanana ara-teknika sy ara-barotra hatramin’ny fanaraha-maso akaiky hiantohana ny faharetan’ny asa sy ny fandraharahana ataon’izy ireo. Araka izany, hanomboka amin’ity herinandro ity ny tetikasa ka hisatarana azy ny “Focus groups” handinihana ny fiofanana voalohany momba ny fitadiavana asa. Marihina fa manodidina ny 500 000 isan-taona ny tanora miditra eo amin’ny tsenan’ny asa isan-taona ary mahatratra 89,8% ny tahan’ny asa tsy ara-dalàna eto amin’ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: