Nitsidika ny seranan-tsambon’i Toamasina ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël nandritra ny dia nataony tany an-toerana, ny sabotsy teo. Mandroso ny asa sy ny fanitarana ny seranan-tsambo. Ankehitriny, manodidina ny 60% ny asa no efa vita. Nilaza ihany koa ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara fa “manohana tanteraka ny orinasa SPAT amin’ny fanatanterahana ity tetikasa lehibe ity ny tenany”. Notsindriany manokana fa manentana ny orinasa izy mba hanohizany amim-pahavitrihana ny fanatanterahana ny tetikasa. Ity farany izay heverina ho fotodrafitrasa stratejika ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena. Mitana ny 80% amin’ny fifamoivoizana an-dranomasina iraisam-pirenena eto Madagasikara rahateo ny seranan-tsambon’i Toamasina ka antony indrindra hanavaozana sy hanitarana azy ary hanamafisana ny toeran’i Toamasina ho ivon-toeran’ny fitaterana an-dranomasina eto amin’ny faritra. Nojerena nandritra izay koa ny toerana misy ireo “scanners” vaovao hitiliana ireo kaontenera vaovao. Ankoatra izay, efa mandeha ihany koa ny fanamboaran-dalana ny RN2 TER, mirefy 2km, lalana miditra sy mivoaka ao amin’ny seranan-tsambo izay vatsian’ny Tahirim-bola momba ny lalana. Ho vitaina amin’ity taona ity ihany koa ny “voie rapide”, mirefy 9,450 km mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny lalam-pirenena faharoa. Tetikasa hiara-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny Sinoa atao.
Henintsoa




