Mitohy any amin’ny faritra ny dinika ho fanaingana ny toekarena, taorian’ny fanombohana teny amin’ny CCI Ivato, ny alatsinainy 19 janoary teo. Dinika iarahan’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny tantsaha mpamokatra, ny mpandraharaha ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika.
Tanjona ny hamaritana ireo rojom-pihariana stratejika, ny hamantarana sy hamakafakana ny sakana ara-pamokarana. Aravona ny angon-kevitry ny tsirairay, ary volavolaina ny drafi-panarenana isaky ny faritra. Ho lasa vahaolana azo tanterahina, ka hanavaozana Fandraharahana ara-pamokarana (agri-business), mba ho tena loharanon’asa sy hiteraka harena.
Efa vita ny 21, 22 ary ny 23 janoary, ny tany Antsirabe, ny ho an’ny distrika Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra. Tany Fianarantsoa ho an’ny Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Ihorombe. Tany Toliara ho an’Atsimo Andrefana, Menabe, Anosy, Androy. Tany Ambatondrazaka ho an’Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo. Any Mahajanga ho an’i Boeny, Betsiboka, Sofia, Melaky.
Manomboka anio 26, 27, 28 janoary, hatao any Antsiranana, ho an’i Sava sy Diana.
Hangonina sy haravona ny dinika isam-paritra rehetra, ary hatao eto Antananarivo ny hamoahana ny drafitra Fanaingana ara-toekarena nasionaly.
Njaka A.




