VAOVAO TAMBATRA

Manan-danja ny fizahantany noho izy mifandray amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, asa ta­nana ary kolontsaina izay mampidi-bola sy manome asa maro samihafa ny malagasy. Sehatra stratejika izy ary laharam-pahamehana amin’ny fampandrosona ny firenana indrindra amin’ny fampahafantarana ny hakanton’ny Nosy malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Nifantoka tamin’ny fandrosoan’ny tetikasa Volobe, ny famatsiam-bola sy fampiasam-bola, ny fivoriana stratejika niarahan’ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Vondrona CGHV miaraka amin’ireo Mpiara-miombon’antoka ary ny solotenan’ny Société Financière International (SFI). Nisongadina tao anatin’izay ny fanakatonana ny vola, ny lalana man­kany Volobe, ny vidin’ny famokarana sy ny faharetan’ ny tetikasa. Nifanaiky ny roa tonta fa laharam-pahamehana ny fiantraikan’ny tetikasa eo amin’ny toekarena sy ara-tsosialy.
Hentitra amin’ny fikajiana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ireo mpikarakara ny Utop andiany faha-17 amin’ity taona ity. Harahi-maso tanteraka ny fitandroana ny rohivoara ho an’ireo mpihazakazaka anaty natiora ary omen-danja manokana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Toy ny isan-taona, manampy amin’ny fampahafantarana sy fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny Utop.

Partager sur: