Asa fosika any Canada sy Suisse : Mpisoloky efatra voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy ny mpisoloky miisa efatra, ny faran’ny herinandro teo. Milaza ho mahita asa any Canada sy Suisse izy ireo. Teratany pakistanais ny iray izay mivarotra pasipaoro sandoka 6 000 hatramin’ny 8 000 dolara.

Manoloana ny firongatry ny fisolokiana mifandraika amin’ny famarinan’olona, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Nita­rika izany ny tale misahana ny fanaraha-maso ny fivezivezena sy ny fifindra-monina, ny Com­mis­saire divisionnaire de police, Samy Harison Olivier, no­tronin’ny mpiara-miasa aminy.
Voarohirohy tamina raharaha fisolokiana ho mandefa hiasa amina sambo na « ba­teau de croisière » ny olona roa. Amin’ny tambajotran-tserasera, Facebook, no mitady olona izy ireo. « Lazainy fa misy mandray mpiasa amina sambo mpitondra mpizahatany any Maldives. Hakan’izy ireo vola hatramin’ny 2 tapitrisa Ar izay olona roboka amin’ilay asa », hoy hatrany ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena ity.
Marihina fa tena manao fiofanana amina hotely iray ao Toa­masina, mandritra ny herinandro ny lasibatra. Lasan’izy ireo ny vola aorian’izay, ka ma­nomboka ny fandrirarirana. Vita ny fiofanana, lasan’izy ireo ny vola, nefa ny asa tsy misy akory. Ny fanadihadian’ny polisy no na­halalana fa efa 17 ny olona voasoloky sy very volabe. Nito­ry izy ireo, nanomboka ny fa­motorana, haingana ny fomba fiasa ka nahasamborana azy ireo teto an-dRenivo­hitra.

6 000-8 000 dolara
Ankoatra ireo mpisoloky ireo, mbola nahasambotra teratany karana iray koa ny polisim-pirenena. Tratra nisoloky tamin’ ny tambajotran-tserasera izy. Milaza ho mahavita manamboatra pasipaoro malagasy sy georgianina ary indonesianina izy. Mivarotra izany amin’ny vidiny 6 000 hatramin’ny 8 000 dolara ny iray.
Vehivavy iray hafa kosa no voarohirohy tamina fisolokiana fandefasana olona hiasa any Canada sy Suisse. Ao amin’ny Facebook hatrany izy no manjono izay ho lasibatra. Mampi­asa kaonty fako izy. Marobe ny olona voafitany noho ny fisian’ilay asa any Canada. Betsaka ny nifampiresaka taminy ka nahazoany vola 3 hatramin’ny 5 tapitrisa Ar. Lazainy fa hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra izany. Voaloa ny vola, tsy hita intsony izy aorian’izay. Misy ireo niandry vasoka noho ny fampanantenany fa mbola miandry fifanarahana avy any Suisse ny antontan-taratasy mialoha ny fiaingana. Miisa sivy ny olona lasibatr’ity renim-pianakaviana mpisoloky ity.

Jean Claude

Partager sur: