TSELATRA

Lehilahy telo naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, taorian’ny fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Tratran’ny polisy nifoka sy nivarotra rongony teny Analamahitsy ny roa tamin’izy ireo, ny alakamisy lasa teo. Nanonona lehilahy iray tompon’entana ireto farany. Nosamborina izy rehetra, ary izao naiditra am-ponja izao.
Hita omaly maraina, tany Tsiroanimandidy, ny razan’ireo ankizivavikely roa, anisan’ireo efatra, nifampitarika haka roatra, lasan’ny rano, tany Ambatofotsy, afakomaly. Hita ny andron’io ny iray. Nitohy ny fikarohana ka ankizivavikely 8 taona, avy any Fiadanamanga sy ankizivavy 12 taona izay avy any Tsiroanimandidy ihany, no voasintona tao anaty rano. Avotra soamantsara ny iray tamin’izy ireo, rehefa nahatazona zava-maniry.
Miforona indray ny vondrona tanora latsaky ny 17 taona mitondra ny anarana “Clan BKM” ao Toamasina. Manafika sy mandroba eny amin’ny lalam-bahoaka ary mitondra bois rond sy antsy izy ireo. Notafihin’ireo andian-jatovo ireo ny tovolahy iray sy ny reniny, ny sabotsy alina, tany Ambohijafy. Tafatsoaka niantso vonjy ny renim-pianakaviana. Tafatsoaka ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsy nataon’izy ireo.
Tovovavy miisa efatra, mpianatry ny CEG iray ao Ambatondrazaka, no voatazona vonjimaika amin’izao fotoana izao. Naka an-keriny zazakely iray sy nitaky volabe tamin’ny fianakavian’ilay zaza izy ireo. Nikasa hividy kiraro mitentina 100 000 ariary, hoentina amin’ny fetin’ny mpianatra ny antony nanaovan’izy ireo io asa ratsy io. Avotra soamantsara ilay zaza taorian’ny fisamborana ireo mpanao ratsy.

Partager sur: