Tsy mbola nisy ny fiantsoana voarain’ny Federasiona malagasin’ny tenisy, hatramin’ izao, mahakasika ny lalaon’ny Nosy. Na izany aza, maneho ny fahavononany izy ireo, araka ny resaka natao tamin’ ny filohan’ny FMT, Rakotomaniraka Naina Zandina.
*Gazety Taratra: Mety hanao ahoana ny fahavononana hiatrika ny lalaon’ny Nosy?
-Naina Zandina: Tena anaty tsy fahalalana tanteraka ny mahakasika ny fanomanana sy fampivondronana ny taranja tenisy amin’izao. Na izany aza vonona izahay na dia efa somary tara aza.
*Ampy ve ny fotoana hanaovana fanomanana, amin’izao enim-bolana sisa izao?
-Efa tamin’ny volana jiona 2021 ny tokony nanombohan’ny fampivondronana, izany hoe tokony ho iray taona farafahakeliny ny fanomanana fifaninanana iraisam-pirenena raha te hahazo vokatra tsara.
*Manao ahoana ny fandrafetana ny ekipa nasionaly?
-Efa eo an-dalam-pandinihana ny fomba hanatanterahana ny fitiliana ireo atleta handrafitra ny ekipa nasionaly, ny ekipa teknika. Manana eritreritra haka “expatriés” saingy miankina amin’ny hoenti-manana ny hahafahana manao izany.
*Manao ahoana ny mety ho vokatra?
-Miankina foana amin’ny fanomanana ny fahazoana vokatra tsara. Eo anivon’ny ranomasimbe Indiana, manana lenta ambony ny mpanao tenisy malagasy. Manana fanantenana handrombaka medaly betsaka.
Nangonon’i Mi.Raz