Kitra – Mada vehivavy : lasan’ny Disciples FF ny vola 5 tapitrisa Ar

Nifarana ny asabotsy 4 Sep­tambra lasa teo, tany Antsi­rabe ny fifaninanana « Poule des AS » nasionaly taranja baolina kitra sokajy “sénior” vehivavy taona 2022. Azon’ ny Disciples FF Antsirabe
ny amboara sy ny medaly volamena ary ny lelavola 5.000.000 Ar. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 2 ny ekipan’ny AC Sabnam Vakinan­ka­ratra. Azo lazaina, araka izany, fa tena nanjakan’ny Disciples FF tanteraka ny fifaninanana satria fandresena telo tao anatin’ny lalao telo no azon’izy ireo. Mitana ny laharana faharoa ny Ascuf an’i Matsiatra Ambony, eo amin’ ny laharana fahatelo kosa ny AC Sabnam Vakinankaratra, ary farany kosa ny Mifa Ana­lamanga.

Tsiahivina fa hiditra amin’ ny fampivondronana ny mpilalao handrafitra ny Barea vehivavy hanao ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), izay atao eto amintsika, ny kaomisionina misahana ny Baolina kitra vehivavy. Ary hisy ny lalao fanomanana ny JIOI 2023, izay hihaonana amin’ny ekipa nasionalin’ny Mayotte vehivavy, amin’ny volana marsa ho avy izao.

Fitia (Mpianatra asa)

Mpilalao mendrika : RA­MA­NANTSOA Sitraki­niaina Fitiavana (Disciples FF)

Mpiandry harato mendrika : FARANIAINA Christinah (Disciples FF)

Mpamono baolina betsaka indrindra: RAZANANIVO Solomampionona (Disciples FF)

Mpanazatra mendrika : RANDRIANTSOA Joseph (Disciples FF)

Partager sur: